
Nisolo tena ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, ny Talen’ny Kabinetra, Atoa Odon Marius RANDRIANAINA, notronin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Anisany Atoa Governora, ny Lehiben’ny Distrika ao Toliara II, ny Tale Iraisam-paritry ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Atsimo Andrefana, sy ny Talem-paritry ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (DRSP) ary ny Ben’ny Tanànan’Ankililoaky.