Angovo azo avaozina :
CS miisa 78 no hatsangana
🔆Hanampy betsaka sy haingana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara. Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro (Centrale solaire na CS) miisa 78 no hatsangana manerana ny Nosy amin’ny fiandohan’ny taona 2024. Ny faran’ny volana Desambra ho avy izao no ho tonga amin’ny sambo ireo takela-masoandro (panneaux solaires). Efa voajary avokoa ny tany misy ireo toerana hananganana ireo CS.
▶️Mandritra ny andro dia ireo CS no hamokatra herinaratra. Tanjona lehibe ny hanenana faran’izay ambany indrindra ny fampiasana sy fiankinan-doha amin’ny solika mavesatra. Miisa 110 ireo tobim-pamokarana herinaratra an’ny orinasa JIRAMA manerana ny Nosy. Ny 78 amin’ireo no hahazo tombony voalohany amin’ireto CS ireto.
✅Am-piandohana dia fampiarahana no atao (hybridation) amin’ny tobim-pamokarana herinaratra izay mbola mandeha amin’ny solika ankehitriny. Hialana mian-dalana izany ka hilofosana ny angovo azo avaozina avy amin’ny masoandro.
✳️Miisa 46 ireo CS hatsangana, avy amin’ny vola madiodion’ny Fanjakana Malagasy, izay hanome 50 MW. Miisa 32 kosa ireo CS hatsangana ao anaty tetikasa DECIM hiarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Ireo indray dia hanome 27 MW. Nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA tamin’ny mpanao gazety ireo androany teny amin’ny JIRAMA Antanetibe Ilafy.
📸Sary tahiry: CS ao Betsinjaka Toliara

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *