
Angovo azo havaozina
Nahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ny CHU Tanambao-Toliara

Tontosa ny 15 Janoary 2025 ny fandraisana vonjimaika (réception technique) ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto amin’ny Hopitaly Be, CHU Tanambao eto Toliara. Manana tanjaka 68 KWc ity fotodrafitrasa vaovao ity, izay tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto amintsika.

Nandritra ny andrana teknika natao dia hita fa tomombana tsara avokoa ireo fitaovana rehetra.

Faly sy ravo ireo olona misitraka mivantana izao fotodrafitrasa izao eto amin’ny CHU Tanambao Toliara. Mamaly tanteraka ny filàn’ izy ireo, satria mampandeha tsy tapaka ny herinaratra amin’ ny fanatanterahana ny asan’ izy ireo, ohatra amin’ny fandidiana ireo marary, hoy ny nambaran’ny Tale eto anivon’ny Hopitaly.

Tonga nanatrika ny fandraisana vonjimaika ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Toliara, ny solontenan’ny PNUD ary ireo solontena avy amin’ ny Ministeran’ny Fahasalamana eto Toliara. Araka izany dia miandry ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy sisa ity fotodrafitrasa lehibe ity.

Izao dia anisan’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ireo Distrika rehetra manerana ny Nosy.

Sary : DIEH Toliara