Angovo azo avaozina :
Nahazo CS ny CHU Tanambao I Antsiranana
➡️ Miroso ny ezaka amin’ny fampiasana angovo azo avaozina eto Madagasikara. Vita tanteraka ankehitriny ny fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro ( Centrale Solaire na CS) ao amin’ny Kaominina Tanambao I, Distrika Antsiranana, Faritra Diana. Ity CS ity dia hamatsy herinaratra ny Hopitaly (Centre Hospitalier Universitaire na CHU) ao an-toerana.
✅ Tobim-pamokarana herinaratra izay manana tanjaka 41,04 KWc, sy vatoaratra (bancs de batteries ) 30 KWh ary manana milina mampiodina herinaratra (Groupe Electrogène na GE): 80 KVA.
🔆 Fotodrafitrasa vaovao vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P).
🟢 Anisan’ny tanjona amin’ny fananganana ny CS manerana ny Nosy ny fitsinjovana ny tontolo iainana sy ny fialana amin’ny fampiasana ny solika mavesatra amin’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara.
📸 Sary: DIEH Antsiranana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *