
Angovo azo havaozina
Hametrahana « Centre STAR » eny amin’ny « Polytechnique » Vontovorona

Tontosa ny 26 Febroary 2025 teto Ampandrianomby ny fanaovan-tsonia ny « Memorandum of Understanding » (MOU) momba ny fametrahana ny « Centre de ressources d’application de la technologie solaire » (Centre STAR)

na ivon-toeram-pampiofanana momba ny teknolojia sy ny fenitra amin’ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro

ao amin’ny Sekoly « Polytechnique Vontovorona « .

Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny angovo azo avy amin’ny masoandro na » International Solar Alliance » (ISA) .

Nanatanteraka ny fanaovan-tsonia ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa ANDRIANTSOA Thierry, sy ny Tale Jeneraly miandraikitra ny Sekoly » Polytechnique » eny Vontovorona.