CENTRALE HYBRIDE SOLAIRE PHOTOVOLTAIQUE – GRAPPE ANAKAO.
Tanàna faharoa nananganan’izao fitondrana Andry RAJOELINA izao toby famokarana sady ahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro sy avy amin’ny solika ny eto Anakao, distrika Toliara II, anatin’ny Faritra Andrefana.
Mendrika ny hisitraka fotodrafitr’asa tokoa raha i Anakao na dia distrika aty ampitan’ny riaka aza, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’afo. Tsy misy rahateo ny distrika adino ary mitohy hatrany ny fanatanterahina ny velirano faharoan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina.
Efa amperinasa ary miodina isan’andro sy isan’ora (24h/24 – 7j/7) ny famokarana ka mponina miisa 8 450 avy ao Anakao Haut sy Anakao Bas no ahazo herinaratra avy amin’ny fitodram-panjakana izay hanana tanjaka 220 Kwc avy amin’ny masoandro, 175 KVA avy amin’ny groupe électrogène, 410 KWh avy amin’ny parc batterie solaire.
Raha ity « CENTRALE HYBRIDE SOLAIRE PHOTOVOLTAIQUE » eto Anakao ity, teknolojia moderna no nandrafetana ny toby. Fiaraha-miasan’ny fitondrana Malagasy amin’ny alalan’ny ratsamangaikan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ADER, ORE izay vatsian’ny ANKA sy ny Projet                                                                                          PIC.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *