Hazavana ho an’ny daholobe
« Branchement Mora » ao Matsiatra Ambony
Ao anatin’ny fametrahana ny Kaontera, andiany manaraka amin’ny tetikasa »Branchement Mora » ny Faritra Matsiatra Ambony ankehitriny .
Araka ny tatitra avy amin’ny Tale iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Fianarantsoa dia, nanomboka ny 11 Septambra 2024 ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy. Androany 26 Septambra 2024 dia Fokontany miisa 5 no efa nisitraka ny tetikasa .
Kaontera miisa 3.113 no anjaran’i Fianarantsoa ka 485 amin’ireo no efa voapetraka , izay mitsinjara toa izao :
Fokontany Idanda: 107
Fokontany Tsimanarirazana: 78
Fokontany Beravina: 125
Fokontany Talatamaty: 96
Fokontany Antsororokavo: 79
Tsiahivina fa ao anatin’ny iray volana sy tapany no ezahina hanatrarana ny fametrahana ireo kaontera andiany manaraka. Hatreto dia 16% no efa tahan’ny fandrosoan’ny asa .