« Branchement Mora »
Miroso hatrany ny asa eto Fianarantsoa

Miroso ny asa fampisitrahana herinaratra amin’ny alalan’ny tetikasa « Branchement Mora » eto amin’ny Distrikan’ny Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony. Araka ny tatitra avy amin’ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Fianarantsoa, Atoa JOANY Randriamanantena Lucien, dia Fokontany miisa 8 no nametrahana ireo Kaontera andiany manaraka miisa 346, nanomboka ny 27 Oktobra lasa teo ka hatramin’ny androany.

Mitsinjara toa izao avy izany :

Ambatolahikosoa: 64

Rova: 48

Ambalandapa: 6

Ambatomena: 112

Antarandolo: 28

Mokana: 25

Ambalapaiso: 23

Isaha: 40

Niakatra ho 39 % araka izany hatreto, ny tahan’ny fandrosoan’ny asa.