« Branchement Mora » :
Kaontera miisa 150.000 ho apetaka maimaim-poana
▶️Fanamby lehibe no apetraka manomboka amin’ny volana Febroary 2024. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, sy hampitobo ny isan’ny vahoaka misitraka herinaratra dia : kaontera miisa 150.000 no ho apetaka maimaim-poana. Ireo olona izay efa nahafeno ny antotan-taratasy rehetra fangatahana fampidiran-jiro tamin’ny alalan’ny tetikasa « Branchement Mora » no hisitraka izany.
✅Hatreto dia olona miisa 45.000 no efa nisoratra anarana sy nahaloa ny sarany 30.000 Ar amin’ny tetikasa « Branchement Mora » manerana ny Nosy. Tanjona ny hanomezana herinaratra mpanjifa vaovao miisa 200.000, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA, androany 30 Novambra 2023 teny amin’ny JIRAMA Antanetibe Ilafy. Manomboka amin’ny Febroary 2024 io izany, dia hatao maimaim-poana ny fametahana ireo kaontera. Tanjona ao anatin’izany koa ny ady amin’ny fisintomana jiro tsy ara-dalàna (branchements illicites).
✳️Tsiahivina fa tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena (BM) amin’ny alalan’ny Tetikasa LEAD ny fanatontosana ny asa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *