« Branchement Mora » :
Manomboka ny any Sambava
#️⃣ « Jiro mora, malaky ». Mieli-patrana manerana ny Nosy izao ny tetikasa « Branchement Mora ». Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fampidiran-jiro vaovao ho an’ireo tokantrano maniry ny hisitraka izany ao Sambava. Tao amin’ny fonkontany Ampandrozonana no nisantatra izany, niarahana tamin’ny manam-pahefana isan’ambaratongany notarihin’ny Governoran’ny Faritra, ny Préfet, ny solontenan’ny Ben’ny Tanàna ary Lehiben’ ny Fokontany.
