BC Madagascar
➡️ Handray ny andiany faha-8
✅️ Tontosa ny 4 febroary 2025 ny fihaonana voalohany amin’ity taona ity, nataon’ny komity mpitantana na « Comité de pilotage » (COPIL) ny fandaharanasa Barefoot College Madagascar (BC Mada), izay natao teto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo Ampandrianomby.
▶️ Tsiahivina fa ny taona 2012 no nanombohan’ ny BC Mada, izay fampiofanana ireo vehivavy avy amin’ny toerana mitoka-monina sy ambanivohitra lavitra, hahay manamboatra sy mametraka ary mikojakoja ireo fitaovana hahazoana 💡 jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro 🌞. Handray ny andiany faha-8 ny BC Mada amin’ity taona ity.
✍️ Miisa 120 ireo vehivavy efa nisitrika ity fampiofanana momba ny jiro ity eto Madagasikara. Ankehitriny dia tokantrano maherin’ny 1.850 no efa misitraka ny hazavana.
🟢 Tonga nanatrika ny COPIL ny solontenan’ny ADER, BCMada, WWF, Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Ministeran’ny Mponina ary ny Ministeran’ny Fizahantany.
✴️ Hitohy ny Zoma 7 Febroary kosa ny dinika hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka eny ifotony, ary handraisana ireo fikambanana maniry hiara-hiasa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *