
Nisokatra ny 26 Aogositra 2024, ary haharitra 5 andro eto amin’ny « Radisson Blu » Ambodivona ny atrikasa, sady fiofanana, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena, ary hiaraha-miasa amin’ny « Cabinet MacroConsulting » sy ny « Cabinet Gide Loyrette Nouel ». Lahadinika ny famolavolana ny didim-panjakana handrindra sy hifehy ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara.