
Nifarana ny 30 Aogositra 2024 ny atrikasa sy fiofanana mikasika ny famolavolana ny didim-panjakana handrindra sy hifehy ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara. Izany dia notanterahina teto amin’ny Radisson Blu Ambodivona nandritra ny 5 andro. Mbola hitohy ny fiaraha-miasa sy fifampiresahana eo amin’ny tompon’andraikitra eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) miaraka amin’ireo rantsamangaika (ADER, ORE, JIRAMA) sy ireo teknisianina ao amin’ny »MacroCronsulting ».