Angovo azo avaozina
Atrikasa momba ny « clean cooking »
✅ Ambohi-pihaonana teny amin’ny « Panorama » Andrainarivo, ho an’ny atrikasa fahatelo mikasika ny fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (clean cooking na cuisson propre).
▶️ Mihoatra ny 90% amin’ny tokantrano Malagasy no mbola mampiasa arina fandrehitra sy kitay (charbon de bois na bois de chauffe) izay mamotika ny tontolo iainana sy manimba ny fahasalamana. Nandritra ny atrikasa dia nampahafantatra ireo tetikasa mivoy ny firosoana amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo avaozina ireo mpisehatra. Tarigetra ny fametrahana tondrozotra maharitra. Mpanohana ny OPEC Fund. Nandray anjara ny ONUDI, ny OPEC fund, ny AIDES, ny SEforALL, ny Banky Iraisam-pirenena (BM), ary ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD).
⭐Tonga nanome voninahitra ny fotoana sy nandray anjara ihany koa ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier. Laharam-pahamehana hoy ny MEH, ny famadihana ho asa, ireo tsoa-kevitra, tapaka nandritra ny hetsika natao ny 12 Avrily 2024.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *