Herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra
Atrikasa ataon’ny PNBC DIANA
✅ Nisokatra ny Talata 1 Oktobra 2024, teto amin’ny Fokontany Marodoka , Nosy Be, ny atrikasa mikasika ny fanatsarana ny fitantanana ny famatsiana herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra, iarahana amin’ireo Komitin’ny Jiro anatin’ny « Programme National Barefoot College » na (PNBC) Faritra DIANA.
✳️ Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpikambana amin’ireo « Comités Solaires », ho fanatsarana ny fahaiza-mitantana mikasika ny famatsiana herinaratra any amin’ny toerana ambanivohitra misy azy ireo tsirairay avy. Izao dia tafiditra ihany koa anaty fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.
▶️ Mitohy androany Alarobia 2 Oktobra 2024, ny atrikasa. Manomboka rahampitso 3 Oktobra kosa, dia hisy ny fidinana ifotony any amin’ny toerana ambanivohitra maro. Anisan’izany ny Fokontany Ampohagna (Distrika Ambanja), Fokontany Nosy Mitsio (Distrika Ambilobe), Fokontany Andavoanemboka (Distrika Ambilobe), Fokontany Ampanasina (Distrika Ambilobe). Ny 15 Oktobra 2024 no hifarana ny fidinana ifotony.
❇️ Ny fanatontosana ny Tetikasa dia fiaraha-misalahy eo amin’ny MEH, BC MADA, WWF, WCS, ny MNP ary ny FIS.
➡️ Mandray anjara amin’ny atrikasa, ny Tale iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Antsiranana, Atoa FITSARANA Hyacint Hubert, ny solontena avy amin’ny MEH, ADER DIANA, BC MADA, WWF, WCS, MNP, ireo mpikambana ao amin’ireo  » Comités Solaires’‘ ary ireo vahoaka eto an-toerana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *