
Nanome toromarika manokana Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ny hampidirana ao anatin’ny asa maika tsy maintsy hatao, ny fanatsaharana fangatahana tanim-panjakana, noho ny fitomboan’ny kolikoly mitarika halatra tanin’olona ao anatin’izany, ka handinika ny hanamafisana ny didy aman-dalàna ilaina ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, tarihin’ny Ministeran’ny Fitsarana.