Sehatra goavana sy mivelatra, fampiroboroana ny angovo
Firenena mandala ny fitrandrahana ny angovo madio sy azo avaozina i Madagasikara.
Nifantoka tamin’ny lafin’io ny fihaonan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA sy ny tompon’andraikitra teto amin’ny toby famokarana herinaratra SUN FARMING eto Antsirabe.
Tsy toby amokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ihany ny eto amin’ny SUN FARMING Antsirabe fa misy fanofanana ara-pambolena sy sakafo fa saingy miroso tsikelikely amin’ny famokarana entona amin’ny alalan’ny taharo natoraly (bio gaz) izay efa ahitana fahombiazana
Fikarohana toy izao hoy ny minisitra no tena tsara imasohan’izay manan-kevitra hisian’ny safidy amin’ny famokarana angovo manaja ny tontolo iainana eto Madagasikara, notakiany ny mba anapariahana ny traikefa isan-tanàna sy fanalefahana fahazoana tany ho an’ireo nahazo fiofanana teto satria mila zaraina, ifanabeazana isan-tanàna ny traikefa
Nandritra ny fifanakalozana dia tsy hadinon’ny Andriamatoa minisitra Solo Andria ny nanaramaso sy nampatsiahy ny fiaraha miasan’ny SUN FARMING sy JIRAMA momba ny famatsiana herinatra 2Mw mianga ety an-toerana ho an’ny mpanjifan’Antsirabe, politikam-panjakana nahafoana ny délestage ao andrenivohitry Vakinankaratra
Herinaratra ho an’ny daholobe, hazavana ho an’ny daholobe izany no tanjona tsy maintsy tanteraka amin’ny fampivoarana ny famokarana angovo sy famatsiana herin’aratra eto Madagasikara araka ny velirano efa tanterahin’ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *