Angovo
Antoky ny hoavy ny fako
⬆️ Hetsika goavana ho an’ny angovo azo havaozina sy ny tontolo iainana ny firosoana mankany amin’ny fanomezana lanja ny fitantanana ny Fako eto Madagasikara . Tontosa ny 17 Avrily 2025 teto amin’ny Carlton Anosy ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny Tsenaben’ny Fako ( Salon de déchets ), andiany faharoa, izay ambopihaonan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanodinana ny Fako ho akora azo ampiasaina amin’ny andavan’andro .
🟩 Hitondra voka-tsoa ho an’ny sehatry ny angovo sy ny tontolo iainana izao hetsika izao. Lehiibe indrindra amin’izany ny fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio (Clean Cooking) ary ny famokarana herinaratra izay efa natomboka eny amin’ny Faritra Andralanitra.
❇️ Araka ny nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo , Atoa JEAN -BAPTISTE Olivier, dia 95% amin’ny tokantrano Malagasy no mbola misehatra amin’ny fampiasana arina fandrehitra mahazatra (charbon de bois) sy kitay, ary ny famokarana herinaratra dia mbola miankina ihany koa amin’ny solika.
▶️ Himasoana araka izany ny hanatrarana ny tanjona ho 50% amin’ny tahan’ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio hatramin’ny taona 2030.
📳 Manoloana io dia miara-mientana ny rehetra, ireo sehatra miankina sy tsy miankina , ireo orinasa lehibe sy salantsalany, ireo mpamokatra eny ifotony, ireo mpikaroka ary koa ny mpianatra , ho fampiroboroboana ny fitantanana ny fako manomboka izao.
➡️ Nandritra ny fanokafana ny hetsika, dia nisy ny fanaovan-tsonia mirakitra ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana momba ny tetikasa fitantanana ny fako.
🤝 Izao hetsika izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa matanjaka eo amin’ny Ministera telo tonta (#MEH ,#MEAH, #MEDD) ary ireo mpanohana ny: #GADAEM ,#MCCI ,#WHH.
👉 Mbola hitohy anio Zoma ny hetsika ity, izay hahitana fampiratiana ireo vokatra avy amin’ireo mpisehatra maro samihafa, latabatra borirory sy adihevitra iarahana tamin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ho an’ny tanjona iraisana : ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy sy ny Firenentsika.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *