Angovo azo havaozina
Notokanana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha avy amin’ny masoandro eto Anosibe Ifanja
Porofo hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina, ny eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anosibe Ifanja, Distrika Miarinarivo, Faritra Itasy. Notokanana androany 6 Jolay 2024 ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, eto an-toerana. Fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny orinasa « WeLight Madagascar » no nahafahana nanangana ny fotodrafitrasa, na ny 3P. Manana tanjaka 33kWc, ary misy vatoaratra (batterie) 82kWh. Mamatsy herinaratra 24 ora amin’ny 24 ora ho an’ny tokantrano miisa 500, ary mahatratra 5.128 ny mpisitraka hahazo tombontsoa.
Ankoatra izay dia nanambara ny Tale Jeneralin’ny « WeLight Madagascar » Atoa Romain De VILLENEUVE, fa hisy ny fananganana Tranomboky ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ka hanolotra fitaovana informatika (ordinateurs, imprimantes), hampiditra rano fisotro madio, ary herinaratra ho an’ny tobim-pitsaboana (CSB), ho an’ny Fokontany Anosibe Ifanja izy ireo. Tsy hijanona eto ihany fa hihitatra amin’ny Fokontany manodidina izany.
Marihina fa mahatratra 155 ny Fokontany sy tanàna, manerana an’i Madagasikara, nahazo herinaratra amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, miaraka amin’ny ADER sy ny « WeLight Madagascar ».
Anisan’ny nanome voninahitra ny lanonam-pitokanana ny Solombavam-bahoaka voafidy teto amin’ny Distrikan’i Miarinarivo , ny Lehiben’ny Prefektioran’i Miarinarivo, ary ny Ben’ny Tanànan’Anosibe Ifanja. Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo nandritra ny fitokanana ny Sekretera Jeneraly Atoa ANDRIANTSOA Thierry.
Tao aorian’ny fitokanana dia nitsidika ireo tokantrano efa misitraka ny herinaratra ireo Delegasiona , 30 % n’ny mpanjifa no mampiasa fitaovana isan-tsokajiny izay miankina amin’ny herinaratra , toy ny masinin-kazo, ny fitotoam-bary, ary fitaovam-pamokarana samihafa. Afa-po ireo mpanjifa.