Angovo maharitra
Fampahafantarana ireo 15 IED

Notanterahina ny 20 Septambra 2024 teto amin’ny » Grand Café de la Gare » Soarano, ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany voalohany amin’ireo mpisehatra amin’ny angovo azo havaozina miisa 15 mianadahy, voafantina hisitraka ny tan-tsoroka amin’ny alalan’ny Tetikasa « Incubateur Énergie Durable » (IED), avy amin’ny « Financement Intégré pour les Energies Durables » (FIER).

Faritra 13 manerana ny Nosy no niaingan’ireo tetikasa miompana amin’ny angovo azo havaozina ireo. Amin’ireo 15 mianadahy, dia 8 ny lehilahy, ary 7 ny vehivavy. Ny tetikasa 8 dia avy amin’ny orinasa salantsalany (PME), ary ny 7 dia mpandraharaha vao misondrotra (start up).

Ireto avy izy ireo :

« Cycle Clo » (Boeny)

« Biogasikara Energy Sarl » (Analamanga , Alaotra Mangoro ary Atsinanana)

« Electrica Madagascar » (Ampiriaka Ambohitrimanjaka /Analamanga)

« Mada Eco Énergie Sarl » (Vakinankaratra, Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro)

« FAFAFI-SPAF » (Matsiatra Ambony)

« WART > Waste Recycle Technology » (hanerana an’i Madagasikara)

« Oda Compagnie » (Diana)

« NLF Technology » (Distrikan’i Ambilobe)

« MI-ARINA » (Manjakandriana/Analamanga)

« Sunelec » (Atsinanana)

« Tsikonina » (hanerana an’i Madagasikara)

« Avotra Briquette Rafle » (Diana)

« Eco-Vohitra » (Itasy)

« Madagascar Mitsimbina Alternative Energy » (Vakinankaratra)

« Iorena Charbio » (Ambahikily Toliara/Atsimo Andrefana)

Fanohanana amin’ny lafiny fiofanana sy famatsiam-bola hivelaran’ny tetikasa no hatolotra azy ireo. Ny « SDG Fund » no mamatsy vola ny fanatanterahana ny Tetikasa IED.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana, dia nanamafy ny Tale Jeneraly eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RAMIANDRASOA Sambatra, fa izao dia dingana lehibe ho fanatrarana ny ODD7 : angovo madio sy maharitra, maoderina ary amin’ny vidiny takatry ny daholobe, izay mifandraika amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fitondram-panjakana (PGE).

Miara-misalahy amin’ny fanatontosana ny Tetikasa ny ONUDI, UNCDF, PNUD, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ( MEDD) ary ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) .