
Angovo azo avaozina :
Nahazo « kits solaires » 1.023 ny Faritra Atsimo Andrefana

« Angovo ho an’ny Daholobe ». Fanatanterahana ny Velirano faha-2 an’Atoa Filoham-pirenena Malagasy, no natao teto Betioky Atsimo androany 25 Jolay 2023 amin’ny alalan’ny fizaràna maimaim-poana ireo « kits solaires » . Miisa 1.023 ireo « Kits » zaraina ho an’ny mponina amin’ny Distrika 9 ato anaty Faritra Atsimo Andrefana. Hetsika tafiditra indrindra anaty ezaka amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo avaozina.

Fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro no natolotra. Ny « kit » iray dia ahitana « panneau solaire » sy takamoa (ampoule) miisa 2.

Nitarika ny fanolorana ireo « kits solaires » tao Betioky sy nisolo tena ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo, ny Talen’ny Kabinetra, Atoa Odon Marius RANDRIANAINA.
#️⃣ Marihina fa efa manomboka ihany koa ankehitriny ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Betioky Atsimo.