Angovo ho an’ny daholobe
Fanitarana ny famatsiana herinaratra
Hampitombo avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra hatramin’ny 2030. Io no tanjona voalohany amin’ny sehatry ny angovo, ao anaty fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE), sy ny Velirano faha-2 : « angovo ho an’ny daholobe ».
Tontosa androany 13 Septambre 2024, teto amin’ny efitranon’ny Faritra Matsiatra Ambony, ny dinikasa hanatanterahana ny tetikasa fanitarana ny famatsiana herinaratra avy amin’ny orinasa JIRAMA, ao amin’ny Distrikan’ny Lalangina sy Ambohimahasoa.
Nampahafantarina nandritra izany ireo mpikambana handrafitra ny CAE (Commission Administrive d’Evaluation) sy ny CRL (Commission de Règlement de Litige) izay hisehatra eny ifotony. Ny Tetikasa LEAD no hanatanteraka ny asa izay hiarahana amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra (CTD sy STD).
Efa vita ny fidinana ifotony, nametrahana ny drafitra famaritana (plan de piquetage) an’ireo toerana rehetra lalovan ‘ny tambazotra mitondra herinaratra, sy ny fampahafantarana ny orinasa hiandraikitra ny asa. Efa fantatra avokoa, ireo mponina voakasiky ny tetikasa (Personnes Affectées par le Projet) na « PAP ». Faritra 3 no hanaovana izao tetikasa izao dia Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania ary Vatovavy.
Nisolo tena ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ny Tale Iraisam-paritra (DIEH) ao Fianarantsoa, Atoa JOANY Randriamanantena Lucien.