Angovo ho an’ny daholobe.
Teny Mandroseza ny MEH androany
🔅Herinandro vaovao manomboka tamin’ny fidinana ifotony teny Mandroseza. Nitsidika tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika mavesatra, ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) Atoa Olivier JEAN-BAPTISTE, androany 12 Febroary 2024. Nanotrona azy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny MEH sy ao amin’ny JIRAMA ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina.
➡️Mamokatra 27 MW ireo milina miisa 3 miodina eto, izay hiaraha-miasa amin’ny « AfriPower ». Himasoana ny hanampiana milina mpihary herinaratra iray amin’ity taona ity. Ankoatra ny dinika sy fifanakalozan-kevitra, dia notsiahivin’ny MEH, Atoa Olivier JEAN-BAPTISTE fa laharam-pahamehana ny fampivadiana (hybridation) an’ireo tobim-pamokarana herinaratra mbola mampiasa solika, hirosoantsika amin’ny fampiasana angovo azo avaozina. Tanjona hoy izy ny hananana angovo maharitra sy madio ary amin’ny vidiny mirary.
✅Izao dia tafiditra indrindra ao anaty fanatontosana ireo asa maika sy ny vinan’ny Fitondram-panjakana, fa indrindra ny Velirano faha-2 an’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara : angovo ho an’ny daholobe.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *