
Nitarika ny Delegasiona nanatrika ny andrana, ireo Ben’ny Tanàna, sy ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Toliara, Atoa MILLY Martial, ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ANKA Madagascar. Izao dia porofon’ny firoboroboana eo amin’ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na « Partenariat Public-Privé » (3P).

Fitaratra ihany koa, amin’ny firosoantsika eo amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, sy ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra.

Tanjona ny hampitombo avo 2 heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny 2030.