Angovo azo havaozina eto Toliara II
🌞 Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro
✅ Vita tanteraka ! Haravoana ny an’ny vahoaka eto amin’ny Distrikan’i Toliara II, nahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Voalohany ny Kaominina Ambanivohitra Ankililoaka izay manana tanjaka 463 KWc, ary faharoa ny Kaominina Ambanivohitra Ambahikily izay manana tanjaka 579 KWc. Tontosa androany 19 Septambra 2024 ny fampandehanana (mise en service) ireo tobim-pamokarana herinaratra ireo.
✳️ Araky ny tatitra avy amin’ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Toliara , Atoa MILLY Martial, dia miandry ny fandraisana ara-teknika sisa, mialoha ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ireto fotodrafitrasa vaovao ireto. Marihina moa fa ny orinasa ANKA no niandraikitra ny fanatanterahana ny asa fananganana, porofo amin’ny firoboroboan’ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P).
📍 Ankoatra ireo dia misy tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro miisa 3 hafa ihany koa no efa amperin’asa amin’ izao fotoana izao :
◼️ Kaominina Ambanivohitra Tanandava , manana tanjaka 110,4 KWc,
◼️ Kaominina Ambanivohitra Befandriana Atsimo, izay manana tanjaka 66 KWc,
◼️Kaominina Ambanivohitra Belamonty izay manana tanjaka 220 KWc.
❇️ Ireo rehetra ireo dia samy miandry ny fandraisana ara-teknika sy ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy avokoa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *