
Angovo azo havaozina eto Nosy Be
Fananganana ny 5MWc eto Madiro

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 24 Mey 2025 ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, eto Madiro, Nosy Be. Nitarika ny lanonana ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara,
Andry Rajoelina , notronin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta, Atoa NTSAY Christian, sy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier ary ireo mpikambana maro ao amin’ny Governemanta. Maro ihany koa ireo olom-boafidy isan-tsokajiny.

Izao tetikasa izao dia anisan’ny miaro ny tontolo iainana amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro, no mampihena ny fandaniana amin’ny fividianana solika ho famokarana herinaratra, ka hahazoantsika tahirim-bola (économie) mitentina manodidina ny 7 000 000 000 Ar isan-taona ho an’ny eto Nosy Be fotsiny. Ity toby hapetraka ity dia hanana tanjaka 5MWc ary hanana vatoaratra hatramin’ny 3,20 MWh.

Araka izany dia hanatsara ny famokarana herinaratra eto Nosy Be ity tetikasa ity satria hisahana ny 85 % amin’ny filàna eto an-toerana ny atoandro, ary 41 % kosa ny alina.

Asa fanatanterahana ny Tetikasa
#50MW izay vola madiodion’ny Fanjakana Malagasy. Tarigetra ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina. Tanjona ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara, hatramin’ny taona 2030.

Ho an’ny Nosy Be manokana dia , ho vita afaka herinandro vitsivitsy ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, hanana tanjaka 3MWc, izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina (
#3P).