Angovo azo havaozina eto Melaky sy Menabe
💡Mandroso ny asa fampidirana herinaratra
✳️ Laharam-pahamehana ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Tontosa teto Morondava, ny atrikasa fifanakalozana ho an’ny Komitin’ny Jiro eto amin’ireo toerana ambanivohitra anaty Faritra Melaky ary Menabe. Fokontany ambanivohitra miisa 6 no namaly ny antso sy tonga nanatrika ny atrikasa.
✅ Ny 4 efa amin’ireo dia efa misitraka jiro amin’ny alalan’ny « kits solaires » :
* 2 eto Menabe, izay eo ambany fiahian’ny WWF : Kivalo sy Ambakivao,
* 1 eto Melaky izay eo ambany fiahian’ny WWF : Beanjavilo,
* 1 eto Menabe eo ambany fiahian’ny MNP : Ambararata,
▶️ An-dalam-pikarakarana kosa ny fahazoana ireo fitaovana ho an’ireo 2 hafa eto Menabe, izay eo ambany fiahian’ny WWF, dia ny Fokontany Bosy sy Marohatà.
➡️ Nandritra ny atrikasa izay notanterahina ny 28 sy 29 Oktobra 2024, dia nisy ny fijerena vahaolana sy fananganana drafitra (Plan d’action), ary fifanakalozana traikefa teo amin’ireo mpikambana, hoenti-manatsara hatrany ny ho avy.
🟩 Ny 30 sy 31 Oktobra ary ny 1 Novambra 2024, dia nitohy ny fidinana ifotony teto amin’ny Fokontanin’i Kivalo. Nisy ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fikajiana ireo fitaovana, handoa ara-dalàna ny vidin-jiro, ary hampiasa ireo fitaovana araka ny tokony ho izy.
◾Ankoatra ireo, dia nisy ny fifampizaràna sy fanamafisana traikefa teo amin’ireo  » Femmes Ingénieures solaires » (FIS) izay natao teto Kivalo ihany. Nisy ihany koa ny fanadihadiana notanterahina teny anivon’ny tokantrano tsirairay.
❇️ Niaraka nanatanteraka ny fidinana ifotony ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Mahajanga, Rtoa VAVIZARA Sylvie, sy ny DIEH Toliara, Atoa MILLY Martial, ny avy amin’ny MNP , ary ny avy amin’ny Prefektioran’ny Morondava. Hetsika izay tafiditra indrindra ao anaty « Programme National Barefoot College » (PNBC).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *