Angovo azo havaozina
Atrikasa momba ny famokarana sy fanodinana vatoaratra
✅ Tontosaina androany 19 Septambra 2024 eto amin’ny « Hôtel Carlton » Anosy, ny atrikasa momba ny fandinihana sy fandalinana ny fananganana orinasa hamokatra (fabrication) sy hanodina (recyclage) vatoaratra (batterie) hitahiry angovo azo avy amin’ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro eto Madagasikara.
✳️ Miara-miasalahy ho fanatanterahana ny vina, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) sy ny Ministeran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC), ny Banky Iraisam-pirenena ary ny ONUDI. Mpiara-miasa teknika ny « Fondation Energies pour le Monde » (FONDEM) sy ny « Energie Technologie » (ET). Mpanohana kosa ny WWF. Mandray anjara, ireo mpisehatra isan-tsokajiny, miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana.
📍 Teboka maro no nifanakalozana tanaty asam-baomiera. Anisany ny fandrafetana ny filàna ho fametrahana ny orinasa, ireo pitsopitsony tokony arahina momba ny fanafarana ireo fitaovana ilaina, fizaràna traikefa avy amin’ireo teknisianina efa misahana ny sehatra eto Afrika, ny fijerena ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka liana amin’ny tetikasa, ary ny fanangonana tolo-kevitra sy fanolorana drafitra ary sori-dalana ho firosoana amin’ny dingana manaraka.
❇️ Izao dia tafiditra anaty fanatanterahana ny « Nouvelle Politique Energétique » (NPE) izay manana tanjona amin’ny fampitomboana hatramin’ny 70% ny tahan’ny vahoaka mistraka herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny 2030, ka ny 40% dia ho an’ny tontolo ambanivohitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *