Angovo azo havaozina – Antsirabe II
✅ Porofo hita maso, sy azo tsapain-tanana amin’ny ezaky ny Governemanta Malagasy sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina (3P), ny fonolorana tamin’ny fomba ofisialy, ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro miaraka amin’ny foibe fiofanana ary fikarohana amin’ny fambolena (centrale agrophotovoltaïque) eto amin’ny Fokontany Tsaratanàna, Kaominina Vinaninkarena, Distrikan’ Antsirabe II, izay notanterahina ny 16 Mey 2024.
🔶 Manana tanjaka 2 MWc ity fotodrafitrasa ity ankehitriny ary mamatsy ny tambazotra iraisan’Antsirabe sy Antananarivo. Tanjona ny hanampy ny famokarana herinaratra hatramin’ny 5MWc. Nandritra ny lahatenin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Atoa Andry RAJOELINA dia nambarany fa, hatao fitaratra ny eto Antsirabe, amin’ny firosoan’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina.
❇️ Teknika vaovao sy tsara hajariana tokoa, ny fanaovana voly eny amin’ny toerana misy ireo takela-masoandro, ary tombony tanteraka amin’ny famokarana angovo madio. Ankoatra izay dia misy foibe fiofanana sy fikarohana momban’ny fambolena ihany koa ity fotodrafitrasa izay iandraiketan’ny orinasa « Sunfarming Madagascar » ity, izay voalohany hita eto Madagasikara.
▶️ Nisolo tena ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) ny Sekretera Jeneraly, Atoa ANDRIANTSOA Thierry. Nohamafisiny ny fahavononan’ny MEH hanatanteraka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ho an’ny sehatry ny angovo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *