
Miroso hatrany i Madagasikara amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. Tontosa androany 27 Mey 2024, teto amin’ny Fokontany Antanambehivavy Ambohimandroso, Distrika Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny foibem-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, izay manohana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika (Centrale Hybride Photovoltaïque).
