Angovo azo havaozina:
Miomankomana ny eto Fianarantsoa
✅️ Notanterahina ny 9 Oktobra 2024 teto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, Distrika Vohibato, Kaominina Ambanivohitra Talata Ampano, ny fijerena ny tany hananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro eto Fianarantsoa, izay hanana tanjaka 24 MWc.
➡️ Izao dia tafiditra amin’ny tetikasan’ny JIRAMA mikasika ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra manerana Distrika 81 izay hamokatra herinaratra 343 MWc .
✳️ 24 Ha ny velaran-tany tokony ilaina amin’ny fananganana ity fotodrafitrasa ity, ka ny 3 Ha no efa azo hatreto, ary mbola miandry ny dinika farany hiarahana amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ialaninandro, Distrikan’ny Lalangiana amin’ny ampahan-tany ambiny avy any Ambalavao .
⬛ Araka ny tatitra avy amin’ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Fianarantsoa, Atoa JOANY Randriamanantena Lucien, dia nijery ny tany tamin’ny alalan’ny teknolojia GPS izy ireo ary ho alefa any amin’ny mpikarakara ( Sampandraharaha misahana ny fananan-tany) ireo teboka famaritana ho fikarakarana ny taratasy .
🌞 Marihina moa fa izao tetikasa izao dia ho fanampiana ny famokarana herinaratra avy amin’ ny JIRAMA eto Fianarantsoa sy ho fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara .
🟢 Nanatanteraka ny fidinana ifotony ny Delegasiona izay notarihan’Atoa DIEH Fianarantsoa, ny solontenan’ny JIRAMA ary ny BIF ( Birao Ifotony amin’ny Fananan-tany ).
📸 Sary: DIEH Fianarantsoa

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *