
Ho firosoana amin’ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, anaty « Tetikasa 50 MW » dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny seranantsambon’ny Toamasina , ny Alakamisy 29 Aogositra 2024 ny Delegasiona izay notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier sy ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny Andro (MTM) Atoa RAMONJAVELO Valery ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fadintseranana.