Angovo azo avaozina :
Hevitra mety ny Hidrôzena maitso
▶️ Ampitso mamiratra. Manana ny anjara toerany i Madagasikara amin’ny firosoana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina. Anisany ny « hydrogène vert » (Hidrôzena maitso). Tontosaina any Hambourg – Alemana, ny 14 sy 15 Jona 2023, ny andiany faha-2 amin’ny Fihaonana momba ny angovo sy indostria an’ny hoavy eto Afrika karakarain’ny fikambananan’ireo orinasa alemana aty Afrika na « Afrika-Verein der deutschen Wirtschaft ». Governemanta sy Fikambanana ary manam-pahaizana manokana avy amin’ny firenena maro no mandray anjara.
➡️ Misolo tena ny Governemanta Malagasy ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA. « Manana ny toerany i Madagasikara ary miroso tanteraka amin’ny fampiasana angovo azo avaozina eto Afrika sy manerana an’izao tontolo izao. Marobe ny azo atao raha ny hevitra momba ny teknolojia farany mikasika ny angovo azo avaozina. Afaka 15-20 taona dia maro ny fiaramanidina sy sambo handeha amin’ny hidrôzena maitso. Raha ny eto an-toerana indray no resahana, dia midadasika ny faritra Atsimon’ny Nosy, ohatra, afaka handray fotodrafitrasa ho an’izany ka hahafahan’i Madagasikara maneho fa manana isika ny akora rehetra raha mitaha amin’ireo firenena efa mitrandraka izany eto Afrika toa an’i Marôka, Namibia, Ejipta, Moritania » hoy Atoa Minisitra.
#️⃣ Resy lahatra avokoa ireo mpandray anjara fa ny hidrôzena maitso no anisan’ny vahaolana maharitra amin’ny fiahiana ny tontolo iainana, ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toe-karena. Antso avo no ataon’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA, ho an’ireo fikambanana, mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola ary Governemanta maneran-tany. Manana ny tombony manokana i Madagasikara hampiditra ao anaty drafitra momba ny angovo ny vina mahakasika ny hidrôzena maitso.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *