Angovo azo avaozina
Manohana i Frantsa

#️⃣
Fanamby lehibe ny firosoan’i Madagasikara amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo avaozina. Maro ireo Firenena, vonona ny hanohana ny ezaka. Anisany i Frantsa. Nisy ny fihaonana teto Ampandrianomby, androany 8 Avrily 2024, teo amin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, sy ny Masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto amintsika, SEM Arnaud GUILLOIS.



Miara-dia aminy ny famatsiana herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra. Tanàna 140 no hisitraka angovo amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa eo orinasa SAGEMCOM sy ny Orinasa AXIAN. Misy koa ny Tetikasa SUNREF izay vokatry ny famatsiam-bola avy amin’ny « Agence Française de Développement » (AFD). Tanjona ny fanjariana amin’ny angovo maitso, ho fampiroboroboana ny lafiny fizahan-tany.
