Angovo azo avaozina :
Tokantrano 220 ao Lokomby nahazo herinaratra
#️⃣ Tongotra mby an-dakana, ka tsy miverina intsony. Miroso ny ezaka fampisitrahana angovo azo avaozina eto Madagasikara. Tokantrano miisa 220 androany Alarobia 26 Jolay 2023, no nahazo herinaratra ao amin’ny Fokontany Lokomby (Kaominina Lokomby), Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany. Miisa 20 ireo orinasa madinika sy mpisehatra amin’ny varotra nahazo herinaratra any an-toerana, ary mponina 2.000 no misitraka mivantana ny hazavana, amin’ireo Fokontany sy tanàna miisa 12 efa mifandray ny jiro.
➡️ Manana tanjaka 17,7 kWc ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, raha 68 kWh ny an’ny vatoaratra (batterie) mpitahiry ny herinaratra. Ho an’ny milina mampiodina (Groupe électrogène) kosa dia 22 kVA. Tanjona amin’ny faran’ny taona 2024 ny hampiakatra ny tanjaky ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Lokomby ho 29 kWc (75 kWh isan’andro), ary hanana vatoaratra 89 kWh. Mirefy 1 km ny tariby mitondra ny herinaratra. Ny orinasa « We Light » no mpiara-miombon’antoka amin’izao tetikazsa izao, tafiditra ao anaty fampiroboroboana ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P).
⭐ Izao dia fanatanterahana ny Velirano faha-2 an’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « angovo ho an’ny daholobe ». Ny Kaominina Lokomby ao Manakara izany izao, no nahazo herinaratra taorian’ ny Kaominina Antsenavolo (Distrikan’i Mananjary), sy ny Kaominina Marofarihy (Distrikan’i Manakara) ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana iny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *