Angovo azo avaozina:
Efa mamokatra herinaratra ny CS ao Marovoay
▶️ Hita maso sy azo tsapain-tanana ny firosoana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina eto Madagasikara. Vita tanteraka ny asa fananganana, ary efa mandeha ankehitriny ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale Solaire na CS) ao Marovoay. Fampiarahana (hybridation solaire/thermique), ka 60 % amin’ny famokarana herinaratra dia avy amin’ny masoandro raha 40 % no avy amin’ny milina mpihary herinaratra (groupe électrogène) mampiasa solika mavesatra.
– Tanjaky ny CS : 500 KWc
– Tanjaky ny « thermique » : 1.500 KW
– Mandram-pahazoana vatoaratra mpitahiry herinaratra (batterie de stockage) dia manodidina ny 30 % hatramin’ny 1/3 amin’ny totalin’ny tanjaky ny tobim-pamokarana iray manontolo no azo atao tanjaky ny CS hialana amin’ny mety ho fikorontanan’ny tambazotra
✅ Izao no tontosa dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P). Nomarihin’ny Tale iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Mahajanga, Rtoa VAVIZARA Sylvie fa betsaka noho ny filàn’ny mponina amin’ny herinaratra ny famokarana amin’ity CS vaovao ao Marovoay ity, mba hahafahana mampiditra mpanjifa vaovao.
🔆Tanjona amin’ny 2024 ny hanaovana « hybridation » toy ny eto Marovoay, tobim-pamokarana herinaratra an’ny JIRAMA miisa 78 manerana ny Nosy, hanenana ny fandaniana amin’ny fividianana solika, sy ho fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro.
📸 : DIEH Mahajanga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *