Angovo azo avaozina :
Kely sisa dia ho vita ny CS ao Ambanja
🌞 Miditra amin’ny dingana famaranana ny asa. Afaka fotoana fohy sisa, dia ho vita tanteraka ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale Solaire na CS) ao Ambanja. Nidina ifotony tany an-toerana ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Antsiranana, Atoa Hubert Hyacint FITSARANA ny 22 Janoary 2024.
🔆 Ireo asa atao ankehitriny :
– Fanaovana ny lalan’ny tariby mitondra herinaratra sy ny fampifandraisana ny fitaovana mampiodina ny tobim-pamokarana herinaratra
✅ Tsiahivina fa hanana tanjaka 825 KWc ity CS ao Ambanja ity. Mahatratra 4.675 ny isan’ny mpanjifa hisitraka ny herinaratra ho vokarina ao. Fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P) no nananganana azy.
✳️ Tanjona ny fanenana ny fandaniana amin’ny vidin’ny gazoala (LFO) sy ny solika mavesatra (HFO), ny fampitoboana ny isan’ny vahoaka misitraka herinaratra, ary ny fikajiana ny tontolo iainana. Mitotaly 79 ireo CS hatsangana manerana ny Nosy amin’ity taona ity, ka ny 47 dia famatsiam-bolan’ny Fanjakana Malagasy, ary ny 32 hiarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny Tetikasa DECIM.
📸 Sary : DIEH Antsiranana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *