Angovo azo avaozina :
Notokanana ny CS ao Betsinjaka Toliara
✅ Sabotsy 19 Aogositra 2023. Tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro na « centrale solaire » (CS) no notokanan’ny Filoham-pirenena Atoa Andry RAJOELINA teto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Betsinjaka Andranomena, Distrikan’i Toliary II. Nanotrona izany ireo mpikambana maro ao amin’ny Governemanta notarihin’ny Praiminisitra Atoa NTSAY Christian, sy ireo olom-boafidy ary manam-pahefana isan-tsokajiny.
⏩ Ity CS ity dia manana tanjaka 2,9 MWc. Mahatratra enina arivo 6.000 MWh isan-taona ny herinaratra vokarina eto. Miisa 88 ireo “onduleurs”. Tokantrano miisa 6.324 no misitraka herinaratra voalohany amin’izany, raha miisa 19.000 ny mpanjifa eto anivon’ny Kaominina Ambonivohitra Toliara.
▶️ Mirefy maherin’ny 60.000 m2 ity toerana misy ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ity. Fa ny isan’ny goavana indrindra amin’ny fananantsika azy, dia entona ratsy na “CO2” milanja 0,778 taonina isaky ny MégaWattHeure (MWh) no voailikitsika tsy hisy anaty natiora. Zava-dehibe loatra izany ho an’ny tontolo iainana. Tsara ny manamarika fa ny herinaratra vokarina eto dia mamatsy ny tambazotran’ny JIRAMA, ka mahatratra 50 % amin’ny vokatra izany.
⭐ Mitentina 7 Miliara 700 tapitrisa Ariary isan-taona ny fitsitsiana vita amin’ny fividianana HFO (solika mavesatra) noho ity CS ity. Marihina fa ity CS ity koa dia faharoa amin’ny habeny aty Afrika. Mampiavaka azy koa ny fahafahana mangorona sy mampirina (pliable) indray ireo « panneaux solaires » raha toa ka misy rivodoza ohatra, ka 30 mn dia voaorona izany.
▶️ Fiaraha-miasa 3P
Izao fotodrafitrasa vaovao izao no mitsangana, dia vokatry ny fiaraha-miasa mahomby sy matotra tamin’ny orinasa ENELEC sy ny LIDERA GREEN POWER. Izao dia taratry ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P). Izany dia entintsika miaraka mampandroso ny Firenena sy ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy ary ny taranaka fara aman-dimby.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *