![](https://meh.mg/wp-content/uploads/2024/03/bm-300x185.jpg)
Angovo azo avaozina
Mandroso ny fiaraha-miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena
![🌞](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t5f/1/16/1f31e.png)
Mitohy ary hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena (BM) ho an’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara. Laharam-pahamehana ireo Tetikasa amin’ny angovo azo avaozina.
![⭐](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/tb4/1/16/2b50.png)
Nisy ny fihaonana teto Ampandrianomby androany 12 Marsa 2024, teo amin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, sy ny Delegasiona avy amin’ny BM notarihin’ny Solontena maharitra ho an’i Madagasikara sy ny Faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo, Atoa Atou SECK.
![✅](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t33/1/16/2705.png)
Lahadinika ny fampandrosoana ireo tetikasa lehibe eo amin’ny sehatry ny angovo azo avaozina. Niompanan’ny fihaonana ny fizaràna ny tomban’ezaka eo amin’ireo asa efa mandeha sy ny ho tontosaina.
![▶️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t40/1/16/25b6.png)
Misy ankehitriny ny paikady fanatsarana ny tetikasa angovo azo avy amin’ny riandrano ‘’Volobe’’, ny Tetikasa DECIM, ny « Mini-Grid » amin’ny faritra ambanivohitra. Vokatra azo tsapain-tanana sy haingana no andrasana amin’izany.
![✴️](https://static.xx.fbcdn.net/images/emoji.php/v9/t8f/1/16/2734.png)
Nanamafy ny MEH Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, fa zava-dehibe ho an’ny sehatry ny angovo, ary antoky ny fampandrosoana ny Firenena ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe ireo .