
Ho fanatanterahana ireo tetikasa ao anatin’ny 100 andro eo amin’ny sehatry ny angovo, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra izay natao teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha , ny Alarobia 28 Febroary 2023 , ny hanomezana ampahan-tany (affectation) izay mirefy 40 hektara avy amin’ny velaran-tany antsoina hoe » Plateau de Manolonomby Domaine » TN°61C misoratra amin’ny Ministera misahana ny Fananan-tany , ka omena ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo .