Angovo azo avaozina:
Miazakazaka ny Tetikasa 46 PS
Vavolombelona amin’ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro (Parc Solaire na PS) ny eto amin’ny tanànan’i Manakambahiny Ambatondrazaka.
Nidina ifotony nijery ny toerana hametrahana ny fotodrafitrasa ny tompon’andraikitra eto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) niaraka tamin’ny teknisiana eo anivon’ny JIRAMA sy ireo manam-pahaizana vahiny androany 9 janoary 2024.
Hamokatra 500KWc ity PS hatsangana eto ity. Ny Orinasa « Huawei » anisan’ireo sangany eran-tany amin’ny lafiny herinaratra mandeha amin’ny masoandro, sy ny « LONGI » mpamokatra takela-masoandro (panneaux solaires) kalaza eto amin’izao tontolo izao no anisany mpiara-miombon’antoka.
An-dalana hihazo an’i Madagasikara ankehitriny ireo fitaovana hanatanterahana manontolo ny asa fananganana.
Famatsiam-bola an’ny Fitondram-panjakana Malagasy no hanaovana ny « tetikasa 46 PS », ho tombontsoan’ny ny vahoaka, sy hanenana ny fandaniana amin’ny vidin-tsolika.