
CS miisa telo vaovao


– Voalohany ny CS ao Daraina (Distrika Vohémar/Faritra SAVA) izay hanana tanjaka 33 KWc. Vita 100% ny fananganana ireo takela-masoandro. Asa atao ankehitriny ny mampitohy ireo tariby mitondra herinaratra sy mametaka kaontera isan-tokantrano
– Faharoa ny CS Antsakoabe (Distrika Antsiranana II / Faritra DIANA) izay hanana tanjaka 18 KWc ary hamatsy tokantrano miisa 300. Efa vita 100 % ny asa fananganana ny CS. Asa atao farany ny fampitohizana ireo tariby mitondra herinaratra sy mametaka kaontera isan-tokantrano
– Fahatelo ny CS ao Ambilo (Distrika Ambilobe/Faritra DIANA), izay hanana tanjaka 33KWc ary hamatsy herinaratra tokantrano miisa 450. Asa atao izao ny mampitohy ireo tariby mitondra herinaratra sy mametaka kaontera isan-tokantrano

