
Mandritra ny 2 andro, dia lahadinika maro miompana amin’reo seha-pamokarana angovo azo avaozina no hifanakalozana miaraka. Ohatra ny Lalàna mifehy ny famokarana herinaratra (CODELEC), ny hanampiana ny famatsiam-bola amin’ny famokarana angovo azo avaozina, ny tetikasa « clean cooking » izay miompana amin’ny fiovan’ny isan-tokantrano hampiasa angovo azo avaozina amin’ny fandrahoan-tsakafo. Ohatra ny angovo azo avy amin’ny akora biolojika, ny « éthanol ». Tanjon’ny MEH ny hanampy ireo PTF amin’ny alalan’ny fanamorana ireo pitsopitsony momba ny famokarana angovo azo avaozina eto Madagasikara. Laharam-pamahena ny fanatontosana ny vina faha-7 an’ny Firenena Mikambana : « fampisitrahana angovo maharitra sy maoderina ho an’ny daholobe, amin’ny sandany mora ».