Angovo azo avaozina:
Notokanan’Atoa Filoham-pirenena ny CS ao Ankorikihely
🇲🇬 Hita maso sy azo tsapain-tanana tokoa ny fanatanterahana ny Velirano faha-2 nataon’ny Filoham-pirenena, Atoa Andry RAJOELINA: “angovo ho an’ny daholobe”.
⭐ Notokanan’Atoa Filoha androany Sabotsy 12 Aogositra 2023, ny fotodrafitrasa vaovao, dia ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro na “centrale solaire” (CS) eto Ankorikihely, ato anaty Kaominina Ambanivohitra Ramena, Distrikan’Antsiranana faha II.
⏩ Mandroso ny ezaka amin’ny fampiasana angovo azo avaozina eto Madagasikara. Zava-dehibe ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana maneran-tany, sy ny fiahiana ny fahasalaman’ny mponina.
☀️ Ity CS ity dia manana tanjaka 2,4 MWc. Mahatratra 4.735) MWh isan-taona ny herinaratra vokarina eto. Miisa 24 ireo “onduleurs”. Tokantrano miisa 3.600 no misitraka herinaratra voalohany amin’izany, raha miisa 19.000 ny mpanjifa eto anivon’ny Kaominina Ambonivohitra Antsiranana.
📝 Mirefy 140.225 m² ity toerana misy ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ity. Fa ny isan’ny goavana indrindra amin’ny fananana azy, dia entona ratsy na “CO2” milanja 1.889 taonina isan-taona no voailika tsy hisy anaty natiora. Zava-dehibe loatra izany ho an’ny tontolo iainana. Tsara ny manamarika fa ny herinaratra vokarina eto dia mamatsy ny tambazotran’ny JIRAMA.
👏3P
✅ Izao fotodrafitrasa vaovao izao no mitsangana, dia vokatry ny fiaraha-miasa mahomby sy matotra tamin’ny orinasa DIEGO GREEN POWER sy ireo mpiara-miombon’antoka ENAT ary DERA ENERGY. Izao dia taratry ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P). Izany dia entintsika miaraka mampandroso ny Firenena sy ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy ary ny taranaka fara aman-dimby.
⏩ Taorian’ny fitokanana dia nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’Afo (MEH), Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA, fa:
▶️ “tanjon’ny Fitondram-panjakana ny hampiakatra avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara. Porofo ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro manerana ny Nosy. Mitotaly 78 izy ireo. Ttsy hisy Faritra, na Distrika, na Kaominina ho adino amin’ny fampisitrahana herinaratra. Laharam-pahamehana amin’izany ny tontolo ambanivohitra”.
▶️ Eo ihany koa hoy Atoa MEH fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny tohodrano lehibe. Ny sehatry ny angovo tokoa mantsy, dia anisan’ny kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny Firenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *