Angovo azo avaozina :
#️⃣ Tokantrano 250 misitraka herinaratra eto Antsenavolo
➡️ Velirano faha-2 an’Atoa Filoham-pirenena Malagasy : « angovo ho an’ny daholobe ». Tokantrano miisa 250 hatreto no misitraka herinaratra eto amin’ny Kaominina Antsenavolo , Disitrikan’i Mananjary , Faritra Vatovavy .
▶️ Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro manome 17,3 kWc, vatoaratra (batterie) 68 kWh, milina mpihary herinaratra 22 kVA (Groupe électrogènes) : tonga eto an-toerana ny fampandrosoana.
➡️ Marihina fa miisa 23.992 ny mponina eto amin’ny Kaominina Antsenavolo. Tanjona ny hampisitraka herinaratra mponina miisa 2000. Izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P).
▶️ Tonga nitokana ny fotodrafitrasa androany 22 Jolay 2023, ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA, ny Tale Jeneralin’ny WeLight Atoa Romain DE VILLENEUVE, Ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy eto Mananjary, Atoa Governoran’ny Faritra Vatovavy, Atoa Prefektiora sy Rtoa Ben’ny Tanàna, notronin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, sivily sy miaramila.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *