Angovo azo avaozina :
Kaominina fitaratra Ambohitromby Ankazobe
▶️ Santatra ambava-rano, zokin’ny manetsabe mbola ho avy. Ny Kaominina ambanivohitra Ambohitromby ao amin’ny Distrikan’Ankazobe tokoa no misantatra ny tetikasa iarahana amin’ny « SOLARPLEXUS » izao. Ho avy ny anjaran’ny Kaominina hafa manerana ny Nosy. Notokanana androany Sabotsy 15 Jolay 2023 ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ambohitromby.
#️⃣ 3.000 Ariary
➡️ Tanjona ato anatin’ny enim-bolana manaraka ny hampisitraka herinaratra ho an’ny tokantrano miisa 1.500. Teknolojia vaovao ho an’i Madagasikara no ampiasaina. Vatoaratra (batterie) fahanana adiny roa (2) monja, amin’ny sarany 3.000 Ariary, ary maharitra herinandro. Mahazaka jiro, hamahanana finday, fahitalavitra 12 V, « radio », vata fapangatsiahana 12 V. Misy ny petra-bola voalohany sy karazana antoka 300.000 Ariary, ka rehefa feno ny 3 taona dia lasan’ilay mpanjifa tanteraka ny vatoaratra. Toy ny fitaovana rehetra, dia arakaraky ny fikojakojan’ny mampiasa azy ihany no faharetan’ny vatoaratra iray, izay tokony hahatratra 7 taona araka ny fanazavan’ny teknisiana.
#️⃣ 4 andro
▶️ Mandeha 100 % amin’ny herin’ny masoandro ity tobim-pamokarana herinaratra ao Ambohitromby ity. 25 taona no faharetan’ny fotodrafitrasa. Mahaleotena tanterana ny toby, izay anaty kaontenera miisa 2 mitafo « panneaux solaires », ary misy ny fitaovana rehetra : afaka atsangana ao anatin’ny 4 andro monja izy manontolo. Amin’ny alalan’ny fampitain-davitra ny fibaikoana sy fanaraha-maso ny milina, misy kosa ireo mpiasa eny an-toerana mandray ny mpanjifa.
⭐ Nitarika ny fitokanana ny fotodrafitrasa androany : ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana RAZAFIMAHEFA niaraka tamin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA, notronin’ireo olom-boafidy sy manam-pahefana sivily sy miaramila isan-tokony, ary ireo mpiara-miombon’antoka avy atsy amin’ny Nosy rahavavy La Réunion nahitana ny Filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Asa Tanana, ny Filoha ary ny Tale Jeneralin’ny SOLARPLEXUS.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *