»Ampisaiko ny angovo madio sady mitsisy, mba hitsinjovako ny taranaka fara aman-dimby »
▶️ Ho tanterahina eto Mahajanga ny 13, 14, 15 Martsa 2024 ny  » Foire Régionale de l’Energie Propre « . Ho fanomanana ny hetsika dia nisy ny fivoriana natao androany 13 Febroary 2024 tao amin’ny Biraon’ny DDR Faritra Boeny ho an’ireo mpikambana amin’ny  » Plateforme d’Echange sur l’Energie Biomasse  » (PREEB).
📝Lohahevitra nosafidiana: «  »Ampisaiko ny angovo madio sady mitsisy, mba hitsinjovako ny taranaka fara aman-dimby ».
➡️ Tanjona ny fanentanana amin’ny fampiasana arina fandrehitra vita amin’ny akora biolojika, fatana mitsitsy ary ny  »énergie alternative’‘, mba hiarovana ny ala tsy ho ripaka sy ho fitsinjovana ny tontolo iainana.
🔅Mandritra io hetsika io dia hisy ny varotra fampiratiana sy fifaninana isan-karazany ho an’ny mpianatra.
⭐ Izany dia eo ambany fitarihan’ny eo anivon’ny Faritra Boeny, ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Mahajanga Rtoa VAVIZARA Sylvie, ny DIREDD Boeny-Betsiboka, miaraka amin’ireo mpamokatra arina fandrehitra vita amin’ny akora biolojika, ireo mpamokatra sy mpivarotra fatana mitsitsy, ireo mpamokatra « biogaz », ary ireo mpamokatra « charbon Vert ».
📸 Sary : DIEH Mahajanga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *