Angovo azo havaozina
Ainga vao miaraka amin’ny Tetikasa FIER
✳️ Tanjon’ny Tetikasa FIER (Financement Intégré pour les Energies Durables) ny fanohanana ireo ezaka ataon’ny Governemanta Malagasy eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina. Famatsiam-bola ho an’ireo orinasa madinika na salantsalany (PME/Start up) izay manana Tetikasa mamaly ny mason-tsivana, no misitraka ny tantsoroka teknika sy ara-bola.
🤝🏼 Manohana ny #PNUD, #ONUDI ary #UNCDF. Mitentina 8,7 tapitrisa Dolara ny famatsiam-bola hanohanana ireo mpisehatra, antsoina hoe « Incubateurs d’Energie Durable » (#IED). Tarigetra ny fanatrarana ny #ODD7, angovo maharitra, madio, maoderina, amin’ny vidin’ny takatry ny besinimaro. Izany dia mifandraika amin’ny vinan’ny Fitondram-panjakana manao hoe « angovo ho an’ny daholobe », izay mikendry ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2025.
✅ Tontosa ny 7 Marsa 2025 teto Mahajanga ny fivoriana nataon’ny Komity mpitantana ny Tetikasa #FIER na « comité de pilotage » (#COPIL). Fotoana nanaovana jery todika ny asa vita, ary ireo ezaka sy vina ho an’ny hoavy. Nitarika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, notronin’ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (#MEF), Rtoa ANDRIANAIVOHERY Florence, izay nisolo tena an-dRtoa Minisitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *