Ahiahy solika mitapoka :
Natao fitsirihana ny eto Tanandava Toamasina
✅ Nidina ifotony nanatanteraka fitsirihana (prélèvement et contrôle qualité des produits pétroliers) tao amin’ny toby fivarotan-tsolika iray eto Tanandava Toamasina ny 9 Janoary 2024, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao amin’ny Fitaleavana Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) eto an-toerana, sy ny solontenan’ny OMH niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana.
🔍Nandritra ny fitsirihana savaranonando teto an-toerana, dia tsy nahitana toe-javatra mampiahiahy. Misy kosa nefa ny fandefasana ireo santionan-tsolika nalaina, hiakatra aty Antananarivo, ho tsirihana lalina ao amin’ny laboratoaran’ny OMH.
⭐ Vonona ny rehetra amin’ny fiaraha-miasa sy ny fanatanterahana ny paikady, hamongorana ny tambazotran’ireo mpanapoka solika eto Toamasina araka ny vaovao niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera « Facebook ».
✳️ Mitohy androany 10 Janoary 2024 ny fitsirihana ireo toby fivarotan-tsolika rehetra eto an-toerana araka ny fanamarihana nataon’ny DIEH Toamasina, Atoa Chadly Wander ASSANY.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *