Africa50
Vita sonia ny ampahany voalohany amin’ny famatsiam-bola ny Tetikasa Volobe
📍 Andro lehibe manan-tantara eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina sy manamarika ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ny tsy miankina (3P) ny fanatontosana ny fanaovan-tsonia voalohany amin’ny famatsiam-bola ho fanatanterahana ny Tetikasa Volobe. Nandritra ny lanonam-panokafana ny Fivoriambe (AG) an’ireo mpampiasa vola eo anivon’ny « Africa50 » teny amin’ny CCI Ivato ny 19 Septambra 2024, no nanaovana izany.
✅ Mifandray amin’ny lohahevitry ny Fivoriambe, izay miompana amin’ny « fampiroboroboana ny angovo azo havaozina sy fitadiavana famatsiam-bola ho fananganana fotodrafitrasa eto Afrika », ny fahazoana ny tohana ho fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano hanana tanjaka 120MW, amin’ny alalan’ny Volobe. Miisa 2 tapitrisa ny mponina hisitraka angovo avy amin’ny Tetikasa.
➡️ Ny « Development Finance Corporation » (DFC) ary ny Vondrona Eoropeanina, avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny « Africa50 », no naneho ny fanohanany ka nanao sonia ny fifanarahana famatsiam-bola ampahany voalohany, niarahana tamin’ny Fanjakana Malagasy, ary ny CGHV izay misahana ny Tetikasa. Mbola hiampy io famatsiam-bola io.
❇️ Nanambara ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry RAJOELINA, fa ny sehatry angovo dia anisan’ny fanoitra ho fampandrosoana an’i Madagasikara, ka noho izany, ny fampiasam-bola amin’io sehatra io dia antoka hitondra mankany amin’ny angovo maitso sy maharitra. Mila hafainganina hoy izy ny fanombohan’ny Tetikasa Volobe sy ireo hafa maika. Tsiahivina moa fa ny Fitondram-panjakana dia manana tanjona ny hampitombo avo roa heny raha kely indrindra ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra hatramin’ny 2030.
▶️ Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Fivoriambe, dia nisy ny valandresaka narahina adihevitra isan-karazany, anisan’ny nandray anjara ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN -BAPTISTE Olivier. Lohahevitra ny « firosoana amin’ny fampiasana angovo azo havaozina (transition énergétique), ireo tetikasa goavana toy ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano sy ny avy amin’ny rivotra, ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra ary ny fanavaozana ireo lalàna mifehy ny sehatry ny angovo eto Madagasikara ».
◼️ Marihina fa ny Africa50 dia sehatra ho an’ny fampiasam-bola izay eo ambany fitarihan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) ho fananganana fotodrafitrasa aty Afrika. I Madagasikara dia tafiditra ao anatin’izany, ho fampandrosoana ara-ekonomika. Firenena 32 no voasolo tena nanatrika ny Fivoriambe teny Ivato.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *